Previous
Next
strich-blau

Tongasoa eto amin'ny pejin’ny „Mobile Hilfe Madagaskar e.V.“ - na koa "MHM" raha fintinina!

strich-blau

Tany am-boalohany dia nankany Madagasikara tamin’ny taona 2006 niaraka tamin’ny fikambanana Soisa “Helimission” i Tanja Hock. Rehefa nahita ny fahoriana ianjadian’ny mponina sy ny vahoaka izy dia nahatsapa ny fiantsoana hanohana sy hanampy azy ireo. Nanomboka teo dia nipetraka raikitra teto Madagasikara izy. Ny zanany mianadahy Fanilo sy Fifaliana moa dia Malagasy ihany koa.

Noho izany, dia nanomboka tamin’ny fomba tsotra ny asany ara-pitsaboana. Avy eo dia niorina ny fikambanana, ary nandritra ny taona maro dia nitombo ny tetikasa ary lasa toeram-pitsaboana, fandraisana ary koa fanampiana ho an’ny olona rehetra sahirana manodidina ny tanànan‘ Ambovo i Mobile Hilfe Madagaskar e.V.. 

Noho io asa niavaka io dia notolorana valisoa “Goldenes Bild der Frau ” i Tanja tamin’ny taona 2018 ary nahazo ny loka mpiara-miasa amin’ny mpamaky.

Ry namana sy mpanohana malala,

Mampifaly sy mahasambatra ny manampy!

Ary izany no iainantsika isan’andro eto Madagasikara. Matetika ny hafaliana sy ny alahelo dia tena mifanojo. Sarotra tokoa ny manambara sy mamisavisa ny fahasamihafana misy eo amin`ny tontolo roa izay niainako sy iainako ankehitriny. Tsikitsiky feno fankasitrahana no atolotry ny olona izay voakarakara. Zava-dehibe tokoa ny fahafantaranan’ny vahoaka manodidiny ny fisiantsika eto izay mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainany.

Ny fampisehon‘ Andriamanitra fahagagana na kely na lehibe isan‘andro amin’ny asa rehetra ataony toy ny zaza vao teraka dia fahasoavana lehibe tokoa izay mitaona anay, indrindra ho ahy, hanoy ny asa isan’andro amin’ny herinay manontolo Hisaoranay lehibe tokoa ny fanampiana avy aminareo mpanohana, fanampiana izay ahafahanay manatontosa isan’andro ny adidinay. Isika sy ny herin-tsika mitambatra ihany no afaka manova ny endrik’izao tontolo izao.

TANJA HOCK

strich-dunkelgruen

Ny tanjonay

Madagasikara – firenena iray amin’ireo firenena izay mahafinaritra indrindra kanefa firenena iray amin’ireo firenena izay mahantra indrindra eto ambonin’ny tany koa.

Ny eo amin’ny lafin’ny fitsaboana sy ny rafitra ara-pahasalamana ary ny foto-drafitr’asa dia tsy ampy avokoa, ny fahantrana ary loto no iainan’ny vahoaka isan‘ andro. Tanja dia mpampivelona feno fitiavana ary mitempo ho an’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny fianakavian’izy ireo ny fony.

Ny tanjon’ny tetikasanay dia:

mhm-ziele_mg