Ny azonao atao!
Zava-dehibe ny fanampiana avy aminao!
Ny asan‘ny “Mobile Hilfe Madagasikara e.V” dia tantanana amin’ny vola azo avy amin’ny alalan’ny fanomezana. Tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana izahay, na avy any Alemaina na avy eto Madagasikara. Mila fanomezana avy aminao izahay mba hahafahanay manatanteraka ny asanay ho an’ny olona marefo sy mahantra indrindra eto amin’ny nosy.
Raisinay amim-pahamendrehana ny fanomezana avy aminareo. Ny mpanorina ny fikambananay i Tanja Hock dia miasa an-tsitrapo ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana. Amin’ny maha mpitondra ny fikambanana azy no ahazahoany karama. Amin’izao fotoana izao, izy irery no mpiara-miasa tsy malagasy. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevi-pitantanana ary ny mpikambana mavitrika rehetra amin’ny fitantanana ny fikambanana dia miasa an-tsitrapo avokoa.
Afaka mahazo antoka ianao fa ny fanomezana avy aminao dia tonga zato isan-jato any amin’ny hanasoavana ireo olona sahirana sy mila fanampiana. Omeo ny adiresinao feno amin’ny famindrana ny vola amin’ny banky azafady.
Fanomezana - Afaka misafidy amin'ny ireto ianao:
Fanampiana ara-bola
- Afaka mitondra fiovana lehibe ianao amin'ny alalan’ny fanomezana avy aminao - fanomezana indray mandeha na isam-bolana
- Azo atao ihany koa ny fanohanana (parrainage)
Fanohanana isan‘andro – Filatsahana an-tsitrapo
- Manana fialamboly manokana ve ianao? Ampiasao dia ataovy fanomezana
- Manana talenta ve ianao? Ampiasao ny talentanao ary manangona fanomezana
Asa an-tsitrapo
- Mpilatsaka an-tsitrapo
- Te hiara-hiasa aminay ve ianao?
- Afaka mandray mpilatsaka an-tsitrapo ny eo anivon’ny sampan-draharaha rehetra izahay.
- Ny fehim-potoana dia 1 ka atramin’ny 2 volana
- Ahazahoana taratasy fanamarinana rehefa vita izany ary fanampiana (raha amin’ny andro dia 100.000Ar/mois raha amin‘ny andro sy alina kosa dia 110.000Ar)
- Ireto avy ary ny antonta taratasy ilaina momba izany: ny mombamomba anao (CV) , taratasy fangatahana hiasa (LM) ary taratasy fangatahana ho mpilatsaka an-tsitrapo.