Ny mombanay

„Mobile Hilfe Madagaskar e.V.“ dia fikambanana mahaleo tena tsy miankina amin’ny fanjakana tsy mitady tombony, manana birao voasoratra anarana ao Münster any Alemaina, ary manao ny asany eto Madagasikara. Efa misy ny taratasy fanamarinana momba ny asa mipetraka any amin’ny manampahefana momba ny hetra.

Ny tanjonay lehibe dia ny fanatsarana ny fitsaboana amin’ny faritra misy anay ary noho ny afahanay mivezivezy manantona ny marary dia afaka manitatra ny toerana anaovanay fitsaboana koa izahay.

Nohon’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka (Tulisa, Pro Interplast Seligenstadt, Ny hary, Airtel, Mantasoa Mission Station), dia afaka manatsara ny toe-piainan’ny mponina ao anatin’ny fotoana maharitra izahay.

Ny asanay dia mifototra amin’ny maha-olombelona sy ny fiantrana. Ny maha Kristianina no fototra ho enti-manampy. Manaja sy mitondra ireo marary amin’ny fahamendrehana izahay. Manampy sy mitsabo maimaim-poana ireo olona sahirana rehetra izahay, dia ny vehivavy, ny ankizy ary ny fianakaviany izany.

MHM Allemagne/ Alemaina

Tamin’ny taona 2010 dia nanangana ny fikambanana“Mobile Hilfe Madagaskar e.V.” i Tanja Hock. Ny fianakaviany sy ny namany no nanohana ny tetikasany sy nanohana azy ara-bola. Ny tanjon’ny mpikambana any Alemaina dia ny fanangonana ny fanomezana sy fitadiavam- bola ahafahan’i Tanja sy ny ekipany na ny mpiara-miasa aminy any Madagasikara hanatanteraka ny asa soany.

Izany dia atao amin’ny alalan’ny fivarotana asa-tanana sy vokatra ara-javakanto avy any Madagasikara, ohatra amin’ny fetin’ny kaominina, tsena Noely (« Bazar de Noël »), sns. Manaraka izany koa ny fangatahana famatsiam-bola amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy. Ny vola azo avy amin’ny hetsika rehetra dia omena tanteraka ny fikambanana amin’ny endrika fanomezana (Don).

Ny hezaka lehibe tiana ho tratrarina dia ny fahazoana fanampiana hanorenana ny hopitaly sy tobim-pampianarana ary fanofanana ireo mpiasa. Manao hetsika lehibe ny fikambanana rehefa tonga any Alemaina i Tanja sy ny zanany mianadahy Fanilo sy Fifaliana Misy fivoriam-be dia arahina fety ohatra amin’ny fetim-bokatra amin‘ny fahavaratra na fety amin‘ny fararano, izay hihaonana amin‘ ny olona liana, namana ary ireo mpanohana ny fikambanana.

Amin‘io vanim-potoana io ihany koa no itsidihan’ireo mpamatsy vola lehibe ka anehoan’i Tanja manokana ny tetik‘asany. Ireo mpiandraikitra ao amin‘ny MHM Alemaina dia mitantana ny asa sy miasa an-tsitrapo ka tsy mahazo karama. Asa sy tanjona lehibe tokoa io satria tanjona izay hiarahanay sy hanampianay an’i Tanja izay itokinay amin’ny fanohizana io asa-pahasoavana io.

Previous
Next

MHM Madagaskar

Natomboka tamin’ny fomba maotina ny asan’ny MHM e.V teto Madagasikara. Nanaiky nandray ny fitsaboana natolotray maimaim-poana ny vahoaka ary nanomboka teo dia nitombo hatrany ny asa. Amin’izao fotoana izao dia mampiasa olona 135 ao amin’ny karazana asa maro samy hafa izahay. Ny mpiasa rehetra eto an-toerana dia Malagasy avokoa. Ho an’ireo olona ireo dia midika izany fa manana asa sy fidiram-bola azo antoka izy ireo ahafahany mamelona ny fianakaviany sy mampianatra ny zanany ary manome azy ireo ny fanabeazana izay iriany.

Manodidina ny 60 amin’ireo mpiara-miasa aminay ireo no miasa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana: dokotera, mpitsabo nify, mpampivelona, mpitsabo mpanampy. Ny hafa rehetra kosa dia manao asa mekanika, fanorenana, mpandrafitra, fitantanana ara-bola, lozisialy, famatsiana/fividianana entana, fanatobiana entana, fandrahoan-tsakafo, fanadiovana, ary asa sosialy ho an’ny tanora. Misy koa ireo mpiambina izay ilaina tokoa.

strich-dunkelgruen

Filankevi-pitantanana

strich-dunkelgruen
strich-dunkelgruen

Filankevi-pitantanana

strich-dunkelgruen

Rehefa tany Kenya i Tanja teo amin’ny faha-15 taonany, dia nanomboka ny fitiavany an’i Afrika sy ny asa sosialy. Tamin’ny Janoary 2006 dia tonga teto Madagasikara niaraka tamin‘ny Helimission izy. Nampihetsi-po azy ny zavatra rehetra hitany. Noho ny fahantrana sy ny zavamisy toy ny nahitany zaza vao mena vava nariana teny amin’ny fanariam-pako no anisany nahatonga azy nanangana ilay asa mpampivelona mivezivezy („sage-femme mobile“) izay manatona ireo vehivavy bevohoka izay farany izay mahantra sy tsy manan-kialofana. Avy eo dia nanangana ny fikambanana „Mobile Hilfe Madagaskar e.V.“ i Tanja sy ny fianakaviany Amin’izao fotoana izao dia mipetraka tanteraka eto Madagasikara miaraka amin’ny zanany mianadahy, Fanilo sy Fifaliana, izay natsangany avokoa i Tanja. Izy no mitantana ny tetikasa eto an-toerana.

Manampahaizana manokana momba ny fanatoranana sy ny fitsabona mialoha sy ahoriana ny fandidiana. Ny taona 2016 izy dia nandray anjara tamina iraka fanampiana niarahany tamin’ny Pro-Interplast tany Madagasikara ary teo izy no nifandray voalohany indrindra tamin’i Tanja sy ny tetikasany. Nanomboka tamin’izay dia tsy tapaka manampy ny tetikasa miaraka amin’ny vadiny Petra izy rehefa eto an-toerana na any Alemaina amin’ny resaka fanatoranana sy fampitaovana.

Injeniera miasa amin’ny orinasa Philips Medizin System Böblingen Sarl. Manambady izy ary Hanna Maier no vadiny. Manan-janaka efatra izy roa, David, Jacob, Sarah ary Martha. Mipetraka any anaty ala izy ary tia manampy ny tetikasa manao asa soa toy ny MHM. Efa 25 taona mihoatra kely izy no injeniera ao amin’ny Philips Medizin System Böblingen Sarl ary manampahaizana manokana momba ny fitaovana firaketana rehefa mihetsi-jaza ny vehivavy mitondra vohoka sy ny fitaovana fanaraha-maso ny marary.

Mpikambana mavitrika

strich-dunkelgruen
strich-dunkelgruen

Mpikambana mavitrika

strich-dunkelgruen

Izy dia rahavavin’i Tanja ary manampy ny fikambanana hatrany am-boalohany. Tsy tia misehoseho izy fa manampy fatratra ny rahavaviny sy ny fikambanana.

Mpitsabo mpanampy voasoratra anarana, manampahaizana manokana momba ny fitsaboana ny vehivavy sy ny fiterahana. Tamin‘ny fitsidihany taty Madagasikara ny taona 2015 no nahitany ilay tetikasa ary avy hatrany izy dia liana nafatra-po tamin’ny asa efa vita tamin’izany. Nanomboka teo ka hatramin’izao dia manampy tsy tapaka ny tetikasa miaraka amin’ny vadiny Dr. Martin Führing izy, na eo amin’ny sehatra fitsaboana izany na amin’ny lafin’ny fandaminana, na eto an-toerana na any Alemaina. Any Alemaina izy dia mikarakara ny drafitra ho avy ny fikambanana sy ny fanangonana famatsiam-bola amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy.

I Moni kosa dia hatrany am-boalohany mihitsy no efa teo. Izy dia manampy amin’ny lafiny fampitaovana, fividianana sy fandefasana entana, famoronana antontan-taratasy sy fanitsiana soratra sy ny maro hafa tsy voatanisa.

Mpampivelona, mpampianatra mpampivelona Mahafantatra sy manaraka ny asan’ny fikambanana hatrany am-boalohany izy. Nanomboka. tamin’ny 2016 ka hatramin’izao dia mitsidika matetika ny nosy izy ary nitantanana ny fiofanana maharitra sy fianarana mitohy ny mpampivelona izay miasa ato amin’ny tetikasa sy ireo izay avy any ivelany ihany koa. Izy no nahatonga ny fampandrosoana ny fenitry ny fikarakarana/fitsaboana eo amin’ny sehatry ny fiterahana ato aminay. Any Alemaina dia Izy no mpisolotenan’ny fikambanana amin’ny kongresy na eo anatrehan’ny fikambanana hafa.