Ny Asanay

Fitsaboana

strich-weiss

Ny tobim-pitsaboanay dia tobim-pitsaboana momba ny aretina samy hafa. Misokatra isan’andro manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy, ny ekipa dia afaka antsoina 24 ora tsy tapaka.

Nanomboka ny taona 2012 ka hatramin‘izao dia mikarakara ny fahasalaman’ny nify ihany koa izahay. Tamin’ny voalohany aloha dia tamin’ny fanatonana ny marary tamin’ny taomobilina („dentiste mobile“) no nanaovana izany. Tamin’ny taona 2019 dia afaka nanangana toerana fitsaboana nify ihany koa izahay.

Mamonjy aina ny fiaranay mpamonjy voina. Ny fiara izay ahafahana mitatitra ireo marary mankany amin’ny hopitaly lehibe eto an-drenivohitra dia mamonjy aina matetika.

Fiterahana

strich-weiss

I Tanja dia mpampivelona. Ny asany dia nanomboka tao amin’ny paroasy kely fampiterahana tao amin’ny hopitaly Nehemia e.V. ary hatramin’ny nisokafan’ny hopitaly tamin’ny Janoary 2019 dia lasa foibem-piterahana aty avaratry ny renivohitr’i Madagasikara izahay.

Niantomboka tamin’ny mpampivelona manantona sy mamonjy ny mahantra ny asan’i Tanja. Ireo farany izay mahantra indrindra no nampiany. Ary izany no niatombohanay ka nahatonga anay ho toy izao ankehitriny!

Fanaraha-maso sy enti-manana

strich-weiss

Maro ny ankizy tsy manana fahafahana hahazo fanabeazana sy fiofanana sahaza azy. Ny Kids Club izay natsanganay dia afaka manome azy ireo izany fahasoavana izany ka mahafaly ny mahita ny mason’ny ankizy mitsiky.

Fampivoarana mitohy

strich-weiss

Loharano manan-danja ny mpiara-miasa amintsika. Mampirisika azy ireo izahay handalo fiofanana mitohy hiantohana ny kalitaontsika.

Izay mitambatra Vato! Noho ny fiaraha-miasa dia afaka hanitatra ny sehatry ny asantsika isika.