Ny azonao atao!

Zava-dehibe ny fanampiana avy aminao!

Ny asan‘ny “Mobile Hilfe Madagasikara e.V” dia tantanana amin’ny vola azo avy amin’ny alalan’ny fanomezana. Tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana izahay, na avy any Alemaina na avy eto Madagasikara. Mila fanomezana avy aminao izahay mba hahafahanay manatanteraka ny asanay ho an’ny olona marefo sy mahantra indrindra eto amin’ny nosy.

Raisinay amim-pahamendrehana ny fanomezana avy aminareo. Ny mpanorina ny fikambananay i Tanja Hock dia miasa an-tsitrapo ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana. Amin’ny maha mpitondra ny fikambanana azy no ahazahoany karama. Amin’izao fotoana izao, izy irery no mpiara-miasa tsy malagasy. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny filankevi-pitantanana ary ny mpikambana mavitrika rehetra amin’ny fitantanana ny fikambanana dia miasa an-tsitrapo avokoa.

Afaka mahazo antoka ianao fa ny fanomezana avy aminao dia tonga zato isan-jato any amin’ny hanasoavana ireo olona sahirana sy mila fanampiana. Omeo ny adiresinao feno amin’ny famindrana ny vola amin’ny banky azafady.

Fanomezana - Afaka misafidy amin'ny ireto ianao:

strich-dunkelgruen

Fanampiana ara-bola

Fanohanana isan‘andro – Filatsahana an-tsitrapo

Asa an-tsitrapo